Sunday, March 29, 2009

Hafatra ho an'ny Mpitolona

Ry Malagasy mpitolona

Ry Malagasy mpiray Tanindrazana amiko, ny tolona nataon’ny Malagasy dia efa nanomboka tamin’ireo Razantsika sy ny Dadabetsika ary ireo Ray amandrenintsika.
1947 – 1972 – 1991 – 2002 ary izao indray 2009. Ny ao ambadik’ireo rehetra ireo dia ny Frantsay ihany, tsy misy afaka ny andà izany isika rehetra. Ny zavatra mitranga ao amintsika amin’izao fotoana izao indray dia tsy iza no fongotra voalohany fa mbola ny Frantsay ihany sy ireo sari-bakoliny izay nanaiky hivarotra ny Tanindrazantsika aminy. Ny tolona tamin’ny 2002 dia ny hamongorana ny nataony ratsiraka mianakavy sy ny forongony. Jereo ny nanaovantsika tamin’ireny, fahirano tsy nisy tahaka azy; dia mbola ireny ihany ve no averina amintsika indray? Mba misaina ry Malagasy o! fa aza dia matim-bola loatra re fa tsy hitondra antsika any am-pasana izany.
FIADANANA NO TADIAVINTSIKA SY FANDRIAMPAHALEMANA HO ANY MALAGASY REHETRA.
Koa izao no ataoko antsika rehetra MALAGASY izay mahatsiaro tena fa tena « TIA TANINDRAZANA MARINA » :
Ny tolona izay efa natomboka amin’izao fotoana izao dia tsy azo ajanona intsony .
1. Ny tanjona dia ny hiverenany ny « ZO NY MALAGASY » sy ny
« HASINY TANINDRAZANTSIKA » fa tsy ny hoe : hiverenan’ny Filoha Ravalomanana akory, raha tafaverina moa izy dia vao maika tsara satria izy no mbola Filohan’ny Madagasikara hatramin’izao, izay voafidim-bahoaka tamin’ny 2006. Ny antony mantsy dia misy ny Malagasy tsy dia nankasitraka loatra ny fitondrany, ary ao koa anefa ireo nankasitraka. Koa aoka ny tolona ho atao ho any Madagasikara Tanindrazantsika fa tsy ho any « OLON-TOKANA »akory.
2. Raha mitolona isika dia aoka tsy ho faly ny hoe mitolona fotsiny eo amin’izay toerana hitolomana fotsiny ihany, izay tsy laviko fa tena tsara mihtisy fa izany no anisany ilaintsika rehetra. Ka tokony alefa ny tetika rehetra mba amongorana ny HAT izao, izay hitantsika fa nanao ny tsy nety mihitsy ary mamoafady ao amin’ny firenena amin’izao fotoana izao.
3. Mba hilaminany ny fiainam-bahoaka izay henjehin’ireo mpamono olona izay tarihin’i tgvendrana, dia tokony hivondrona ny olona rehetra any amin’ny Fokontany tsiraray, na alina izany na atoandro; satria rehefa avy mitolona isika dia misy mitily antsika sy ny mpitari-tolona ireo fahavalontsika dia samboriny tsiraray ireny rehefa mandeha irery ka tokony hivondrona isika any amin’ny Fokontany izany fa ny ankanga maro tsy vakin’amboa.
4. Hitantsika rehetra fa tsy manana fitaovam-piadiana isika, nefa ireo mpifanandrana amintsika dia mampiasa ny fitaovam-piadiany, izay any vahoaka, rehetra mba ampiasainy ny heri-setrany tsy amn’ny rariny. Koa aoka isika mba samy ampiasa sy hitondra izay hitany fa mety ampiasaina amin’ny tolona. Maro ny fomba azo atao amin’izany ary samy manana ny fahaizany avokoa isika Malagasy. Jereontsika ireo Razantsika tamin’ny 1947 raha nifanandrana tamin’ireo frantsay izy ireo. Tonga dia anipazana “cocktail “ sy dorana avy hatrany izay miaramila mandalo eny amin’ny tolona na mandeha tongotra izany na amin’ny fiara, fa ireo no tena an’isany loza mpamadika tao amintsika.
5. Ny tolona tsy misy vola entina miady dia tahaka ny mandeha miady anaty habakabaka ihany, koa manentana ny olona izay malala-tanana mba hanohana ny tolona amin’ny fomba rehetra araka izay mba azonareo atao, indrindra moa ianao ry Filoha Ravalomanana, izay efa any ivelany koa ataoko fa afaka manampy ny mpitolona tsara ary mino aho fa maharaka tsara ny fandehany zavatra efa ataon’ny vahoaka ianao. Ampio izahay fa miara-mitolona isika.
6. Ny frantsay izay mamela antsika Malagasy hiadana mihitsy dia tokony tapahana tanteraka ny fifanarahana amin’izy ireo. Manaiky aho fa ireo no bailleur de fonds tsika voalohany, nefa aoka ho fantantsika fa izay no vidiny ny nanjanahany antsika hatramin’izay ka tsy misy miraharaha azy ireo intsony fa tokony mody ireo fa tsy misy mila azy intsony raha mbola I Madagasikara koa; mahazo mody ireo fa misy firenena hafa mbola afaka miara-miasa amintsika eto an-tany. Jereo anie ireo zana-tany Anglisy e? aiza ho aiza daolo ireo izao raha mitaha amin’ny zana-tany frantsay?
7. Tsara sy tena ilaina ny tolona raha araham-bavaka, nefa aoka ho fantantsika fa ny devoly koa tsy mamela antsika fa manakorotana foana, koa na mivavaka aza isika, izay tokony ataontsika mandrakariva izany, dia tsy tsara koa ny mipetraka fotsiny fa hoe mivavaka. Tolona araham-bavaka fa tsy hoe vavaka mipetra-potsiny. Tadiddio fa ny satro-boninahitra dia tadiaviny devoly esorina eny amintsika foana, koa aza avela ho rombahiny izany fa efa nomen’Andriamanitra antsika. Izany no nahavoa an’ny Filoha Ravalomanana, nasain’ireo FFKM nipetraka tsy nitolona nefa ny devoly any ambadika nanao ny ataony ary tena nanao farany izay azon’izy ireo, dia izao no niafarany.
MANANA ZO NY MALAGASY.
MANANA TANINDRAZANA NY MALAGASY.
TSY AMIDY VELIVELY IZANY FA MASINA.
TSY MAINTSY MANDRESY NYTOLONA RY VAHOAKA FA MANANA AN’ANDRIAMANITRA ISIKA.
ARY TSY MBOLA NISY OLOMBELONA NANDRESY AN’ANDRIAMANITRA IZANY NA IZA IZY NA IZA